Nosoratan’i NY SOATOAVINA Saobidy Salomone, iray amin’ireo mpandresy ny fifaninana fanoratana lahatsoratra Volana oktobra 2021.
Ny andininy faha-11 amin’ny lalàmpanorenana-2010-Repoblika IV-n’i Madagasikara dia mirakitra ny zo sy ny fahalalahan’ny isambatan’olona mandray vaovao. Izay mandrara ny karazan-tsivana rehetra, raha tsy hoe mamoafady na mety hiteraka fanohitohinana ny filaminam-bahoaka izany.
Azo antoka fa samy resilahatra ny amin’ny tokony hiresahana eny anivon’ny fiarahamonina ny volavolandalàna na ny tolondalàna ho laniana eny anivon’ny parlemanta ny tsirairay.
Aoriana ary ve sa mialoha ny fandaniana no tokony hanaovana izany ?
Raha izay voalazan’ny andininy faha-5 amin’ny lalàmpanorenana no asian-teny dia ambarany mazava fa ny : «Ny vahoaka ipoiran’ny fahefana rehetra no masi-mandidy ka mampiasa izany amin’ny alalan’ny solontenany lany amin’ny alalan’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana na tsy mivantana na koa amin’ny fitsapan-kevi-bohoaka. Tsy misy mihintsy ampahany amin’ny vahoaka na olon-tokana mahazo manendry tena hampiasa izany fahefana feno izany.»
Ny olom-panjakana izay mandrafitra ny Parlemanta : ireo solombavabahoaka izay mivondrona ao amin’ny Anterimiarampirenenena na ireo loholona izay mpikambana ao amin’ny Anterimierandoholona dia ao anatin’ny andrim-panjakana izay miasa ho an’ny vahoaka mba haneho ny safidiny ny amin’ny zo, andraikitra sy fandaminana ny fiarahamonina. Ny lalàna izay atolony sy laniany eny anivon’ny Parlementa izany no « maneho ny safidim-bahoaka… » (and.6-Lalàmpanorenana 2010).
Mialoha ny fandaniana azy eny anivon’ny parlementa
Ny volavolandalàna izay arosin’ny praiministra, ny tolodalàna atolon’ny solombavambahoaka sy ny loholona dia idealy raha toa ka resahina, idinanana ifotony eny amin’ny vahoaka mba ahafahana mampifanaraka ny fanehoan-keviny amin’ny izay tena filan’ny vahoaka manoloana izay lalàna ho laniana. Na ho an’ny lalàna fehizoro izany, na ny lalàna mifehy ny fitantananm-bola na ny lalàna tsotra. Mbola maro ireo olom-pirenena izay tsy mahalala akory ny hevitr’ireo voambolana ireo kanefa dia natao hamehezana, hiarovana, handidiana, na natao hamaizana azy izany lalàna izany. (and.6 Lalàmpanorenana)
Eny anivon’ny fiarahamonina eny koa dia tsy vitsy ny olom-pirenena manana fahaizamanao manokana, amin’ny fandinihana ny fiarahamonina sy fifaneraserana mivantana amin’ny vondronolona ifotony; afaka ifanankalozana hevitra.
Raha ny amin’ny volavolandalàna fehizoro izao rehefa tsy nolanian’ny Anterimierampirenena alohan’ny fiafaran’ny fotoam-pivoriana dia azo ampiharina amin’ny alalan’ny hitsivolana (and.89.Lalam-panorenana). Izany hoe izay votolotra no ampiharina fa tsy nisy fanovana sy fanitsiana. Ka raha toa iny efa nampidirana izay mba hetahetan’ny vahoaka sy nanpadalovina teny amin’ny fiarahamonina dia azo lazaina hoe ny vahoaka ihany no nandany azy. « Maneho ny olom-pirenena sy mpitondra anaty rafitra demokrasia izany » (in. Torolalana ho an’ny olom-pirenena momba ny tamberinandraikitra).
Ohatra iray amin’ireo fomba azo entina mampahafantatra volavolandalàna na tolodalàna eny amin’ny fiarahamonina ny fakana ny hevitrin’ny olom- pirenena tamin’ny alalan’ny fifanianana nokarakarain’ny NIFIN’AKANGA mahakasika ny « zo ahafahana manatsahatra vohoka lavitry ny loza ». (17/05/2021- Pejy facekook : NIFIN’AKANGA)
Ny tamberin’andraikitra
Aorian’ny fandaniana kosa dia tamberinandraikitra no tokony hatao. « Izany dia hahafahana manara-maso ao anatin’ny fangaraharana ny fahatontosan’ny olona iray nomena andraikitra sy fahefana ny asa tokony hotanterahiny, ny fitsinjovana ny tombotsoa iombonana ary ny lalàna velona.»(in. Torolalana ho an’ny olom-pirenena momba ny tamberinandraikitra) Zava-dehibe ny fananovan’ny olomboafidy tatitra amin’ny vahoaka nanome fahefana azy. Maneho mantsy izany fa isan’ny manan-draharaha amin’izay fanapahakevitrin’ny firenena koa izy. Vokatsoa sesehena no azo avy amin’izany toy ny firindrany fiarahamonina nohon’ny fisian’ny marimaritra iraisana, mba hialàna amin’ny fifanoherana.
Raha aravona izany dia tena ain-dehiben’ny demokrasia ny firesahana ireny volavolandalàna sy tolondalàna ireny eny anivon’ny fiarahamonina mialoha ny fandaniana azy eny anivon’ny Parlemanta.
Fomba iray hafa koa izany hanakaikezany fanjakana ny vahoaka entiny, na dia efa maro aza ireo ezaka ataon’ny fikambanana tsy miankiana toy ny ONG Tolotsoa, Ny Liberty 32 sy ny sisa …